Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitafy ny fanamiana Macron ny Barea

Noho ny hamehana amin’ny fotoana, nanapa-kevitra ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa hitafy ny fanamiana Macron ny Barea de Madagascar, amin’ny fiatrehana ny andro fahadimy sy ny fahenina ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022), hikatrohana amin’i Etiopia, ny 27 marsa ho avy izao, sy ny 30 marsa 2021. Nambaran’Andriamanampisoa Alfred, filoha lefitra faharoa, tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny asabotsy lasa teo, tetsy Isoraka, fa ny mpilalao mihitsy no nangataka mba ho marika fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hisaloran’izy ireo ka anisan’ny nanamafy izany, i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea de Madagascar. Na izany aza, notsiahiviny fa mbola ao anatin’ny fifantenana izay hahazo ny tolotra amin’ity fampiakanjoana ny Barea ity ny komisiona misahana izany. Hiady izany ny Cercle by Ted sy ny Errea ary ny Macron. Raha ny amin’ny kianja indray, miandry ny fanapahan-kevitry ny Caf ny federasiona.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.