Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Halatra moto
Lehilahy niisa roa no nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana tetsy Tsiadana, afakomaly alina, tokany ho tamin’ny folo ora . Moto lehibe iray mitondra ny marika “Kawasaki” no natosik’ireo olon-dratsy, izay avy dia nitsoaka vantany vao nahita polisy ny hery vonjy taitra. An-dalam-panatontosana ny fanadihadiana ny polisy amin’izao fotoana.

Ambatondrazaka
Fiara mpitatitra lehibe iray no tra-doza tao amin’ny tetezan’ny Digy fotsy Ankazotsaravolo anatin’ny RN 44, omaly tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Fipitihan’ny kodiarana tao aoriana no anton’ny loza raha nambaran’ireo nanatri-maso. Nitatitra tantsaha hihazo an’Ambatondrazaka ity fiara ity izao tra-doza izao. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny fiara no potika tanteraka. Efa nahazo fitsaboana kosa ireo mpandeha tao anatiny.

Les commentaires sont fermées.