Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Afafi-Nord : fanarenana fitarihan-drano any Ambilobe

Mifantoka amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena maharitra ny fandaharanasa Afafi-Nord, tohanan’ny Vondrona Eoropea­nina. Mitantana azy ny Birao misahana ny famatsiam-bola avy any ivelany (BACE) eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Toekarena sy ny teti­bola. Mitentina 3,4 miliara Ar ny asa fanarenana ny tambajotra fitarihan-drano miainga any amin’ny reniranon’i Maha­vavy, distrika Ambilobe, faritra Diana. Nosantarina, ny 25 febroary teo ny asa, ary hovitaina mialoha ny faran’ny taona 2021. Mahatratra 18.000 ha ny velaran-tany hahazo rano ka ampiasain’ny tantsaha, miisa 5.970 ny 8.600 ha ary ho an’ny orinasa mpamokatra siramamy ny 9.400 ha, ambolen’ny mpamboly fary miisa 4.000.
Anisan’ny nanatrika ny fanombohana ny asa ny Prai­minisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny Toekarena, Ran­driamandrato Richard, ny mi­nisitry ny Fambolena, Ranari­velo Lucien, ny minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Baomiavotse, ny masoivohon’ ny Vondrona Eoropeanina, i Giovanni Di Girolamo, miampy olo-manan-kaja maro.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.