Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Soirée Mafana 2 ème Ed. » : Mpanakanto 20 hiaka-tsehatra

« Soirée Mafana 2 ème Ed. » : Mpanakanto 20 hiaka-tsehatra

Araka ny valandresaka nataon’ny tale jeneralin’ny Le Taxibe, i Alain Huchet, sy ry Farah Jhons, omaly, tetsy An­tanimena, mpanakanto miisa 20 no hiaka-tsehatra ao amin’ ny Le Taxibe Antanimena, ny alatsinainy 1 marsa izao, ma­nomboka amin’ny 8 ora alina. Nampitondraina ny “Soirée Mafana 2ème Edition, Des forets pour un avenir” izy ity noho ireo artista anisan’ny havanana amin’ny tontolon’ ny fampandihizana, toa an-dry Jazz MMC, Tence Mena, Taa Tense, Farah Jhons, Lola, Jerry Marcoss, Smaven, Dah Mama, Jaovavy, Ayo Naej, Malm (Martiora Fredom), Arion Joy,Ali One Jah, Jhal’ Tho, Naimah, Flash Jump, Swuing Man, Lalie Larrys, Makua Malama ary i Julie. Anisan’ny hetsika hoenti-manatanteraka ny fambolenkazo fihinamboa karakarain’ ny le Taxibe izy ity, izay hiandrasana ny fanapahankevitry ny minisitera ny hanatontosana izany, amin’ity andiany faharoa ity.

Narilala

Les commentaires sont fermées.