
Tsy mbola milamina tanteraka ny olan’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday Toliara. Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso, omaly. Nodoran’ny mpianatra ny “pylône” an’ny Telma…
Raha fifandonana teo amin’ny samy mpianatra no niseho, afakomaly, savorovoro nifanandrinana tamin’ny mpitandro filaminana indray ny nintranga, omaly, tao amin’ny oniversiten’i Maninday Toliara. Nikasa hanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena fahafito izy ireo ka niditra an-tsehatra handrava izany ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo mpianatra mitokona ary nasain’ny mpitandro filaminana niditra tany amin’ny toeram-pianarana ao Maninday izy ireo. Nihevitra ireo mpitandro filaminana fa nilamina ny raharaha, saingy tsy izay anefa no nitranga fa naneho ny hatezerany ireo mpianatra ka nandoro ny « pylône » an’ny Telma eo akaikin’ny oniversite Maninday. Niverina nandamina ny raharaha indray ny mpitandro filaminana ary niantso ny mpamonjy voina avy ao Toliara mba hamono ny afo. Voafehy ny afo ary lasa ireo tomponandraikitra. Nanohy ny herisetrany indray anefa ireo mpianatra ka niverina nanao ny fandaminana ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Taorian’ ny fifanjevoana, olona roa nirondra sakaosy feno vato no voasambotra, araka ny vaovao avy any an-toerana. Tsy nisy kosa ny fisamborana nataon’ny mpitandro filaminana, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo.
Hivoaka amin’ity herinandro ity tetiandro
Raha tsiahivina, fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana sy fampitaovana no anton’ny fitokonan’ireto mpianatra ireo. Efa nisy anefa ny fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitantana ny oniversite amin’ny hanefana izany. Araka ny nambaran’ ny filohan’ny oniversite, ny alalamisy teo, taorian’ny savorovoron’ny samy mpianatra dia hivoaka amin’io herinandro ho avy io ny tetiandro hanomezana ny vatsim-pianaran’ ireo mpianatra. Misokatra amin’ny fifampiresahana ihany koa ny fiadidiana ny oniversite, araka ny nambarany ihany. Ho hita eo, araka izany, izay ho tohin’ity hetsiky ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday ity.
CMS sy Andry F.
Les commentaires sont fermées.