Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Mitaky ny hamoahana ireo nosamborina ny filoha teo aloha, Ravalomanana. “Takinay ny fampitsaharana ny fanenjehana sy ny sakantsakana ary ny famoahana tsy misy fepetra ireo nosamborina”, hoy izy, omaly teny Faravohitra. Anisan’ny tsy ankasitrahany ny fanenjehana ireo mpitarika ny “Miara-manonja”, ny fampitsaharana hasomparana atao amin’ny haino aman-jeriny MBS. “Gaga ireo masoivoho vahiny ary mametra-panontaniana raha toa ka mitondra fandrosoana ho an’ny firenena izao fihetsiky ny mpitondra izao”, hoy ihany izy.

Hentitra Rakotovao Rivo, manoloana ny ambarany fa fanaporetana sy fanagadrana lava eto amin’ny firenena. “Tokony hieritreritra ihany ny fanjakana. Miditra ao anatin’ny fanaporetana ara-tsaina izy ireo izao”, hoy izy. Notsiahiviny ny tenin’ny Prefet ny amin’ny hampitsaharana ny “Miara-manonja”. “Inona no antony sa noho ny tsy fitovian-kevitra ? Amin’ny maha olom-pirenena, zon’ny tsirairay ny mihaino ny tiany. Tsy tokony hisy fihoaram-pefy kosa anaty onjam-peo ka hamonoana an-dranona na hitorahana vato azy…”, hoy izy.

Les commentaires sont fermées.