Mpisinto-mahery tetsy Ankadifotsy
Tovolahy iray mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny amin’ny manodidina an’Antanimena sy Ankadifotsy no voasambotry ny CSP III tetsy amin’ny tetezan’Ankadifotsy, omaly antaondro. Naiditra eny Antanimora avy hatrany io tontakely io taorian’ny fisamborana.
Fanafihana tao Ambanja
Voasambotra, omaly, tao Ambanja ilay namono ny Tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena momba ny antontanisa teo aloha, Ravelomanantsoa Paul Gérard. Mbola nahatsiaro tena ity tale teo aloha ity taorian’ny fotoana nidarohan’ny jiolahy azy, ny alin’ny 19 febroary teo ka notsaboina. Tsy tana anefa ny ainy ka nodimandry ny talata 23 febroary teo ny tenany.
Les commentaires sont fermées.