Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Ligue des champions d’Europe 2021»: sahirana ny Real vao naharesy ny Atalanta

Tapitra ny alarobia lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalana mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Ligue des champions”. Nanakatona izany ny fihaonana teo amin’ny Real Madrid sy ny Atalanta. Nivoaka sempotra vao nahazo fandresena ny ekipa espaniola, satria tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 monja no nivoahan’izy ireo tamin’ity. Baolina tokana tafiditr’i Ferland Mendy, tany amin’ny minitra faha-86.  Marihina fa nilalao folo ny Atalanta, teo amin’ny minitra faha-17 rehefa nahazo karatra mena i Remo Freuler, izay anisan’ny nampandringa ny lalaon-dry zareo Italianina.

Ankoatra izay, lavon’ny Manchester City, tamin’ny isa 2 no ho 0 tao an-kianjany ny Monchengladbach. Tsy nahatohitra ny Anglisy mihitsy ry zareo Rainiboto, tao anatin’ny 90 mn nilalaovana. Nampiditra ny baolina i Bernardo Silva, teo amin’ny minitra faha-29 sy ny an’i Gabriel Jesus, minitra faha-65.

Tsiahivina fa nisy ireo vokatra tsy nampoizina, tamin’ity lalao mandroso ity, toy ny faharesen’ny FC Barcelone, nanoloana ny PSG sy ny nandavoan’ny FC Porto ny Juventus de Turin.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.