Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jeune Chambre Internationale (JCI): vonona ireo tanora mpandraharaha hanarina ny toekarena

Jeune Chambre Internationale (JCI): vonona ireo tanora mpandraharaha hanarina ny toekarena

Rise* na « Manarina, mampiasa, manohana, mampivoatra ». Izay ny teny filamatra hoentin’ny JCI maneran-tany, anisan’izany eto Madagasikara, manatanteraka ny fanarenana ny toekarena marefo noho ny  Covid-19. Eto Madagasikara, mifototra amin’ny fanohanana sy manarina ny toekarena ireo mpandraharaha mpikambana, atao izay hampavitrika ny mpiasa mitovy amin’ny ataon’izy ireo, ary kajina ny fahasalaman’ny saina amam-batana hoenti-miatrika ny asa.

Tamin’ny 2020, na mafy aza ny krizy, tsy nipetra-potsiny ny JCI fa nanao izay tandrify azy. Anisan’izany ny JCI Antananarivo, JCI Toamasina, JCI Nosy Be, nametraka tetikasa nenti-niatrika ny Covid-19. Natao tamin’izany ny fanohanana tanora nanana tetikasa, na fizarana arovava sy orina aza efa finiavana lehibe nataon’izy ireo. « Nisy tamin’ireo tetikasa nahomby, toy ny fifanampian’ireo mpikambana ao Toamasina amin’ny fanomezan-danja ny asa tanana ao amin’ny faritra Atsinanana. Hamafisina izany amin’ity taona ity hanomezana aina ny toekarena sy hampandraisana anjara ny mponina misy ny JCI », hoy ny filoha nasionaly, Ravelomahafaly Andriamihaja Guénolé.

 « Mitaky fiaraha-miasa amin‘ny rehetra anefa izany hanarenanana ny toekarena », hoy ihany ny filoha nasionaly. Mahatsapa izao ny tanora fa maika sy laharam-pahamehana ny fanarenana ny toekarena. 1,4 tapitrisa latsaka lalina anaty fahantrana tamin’ny 2020,  noho ny fahaverezan’asa, betsaka ihany koa ny very fidiram-bola noho ny fihibohana. Raha eto Madagasikara manokana, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, voafafan’ny krizy ara-pahasalamana ny asa efa hita tao anatin’ny 10 taona. Izao mbola miampy krizy ara-politika indray !

 

R.Mathieu

 

Rise* :  Reconstruire-Investir-Soutenir-Evoluer

Les commentaires sont fermées.