Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fondation Hiroshi Uchida: nahazo tohana ny mpianatry ny oniversite miisa dimy

Manampy ara-bola mpianatra malagasy hatrany ny fikambanana Fondation Hiroshi Uchida, nanomboka ny taona 1998. Tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny mpianatra notohanana sy ny sora-bola nomena. Tany amboalohany (1998-2003), notohanana ny mpianatra any amin’ny ambaratonga sokajy faharoa, ny kilasy faharoa, ny voalohany ary ny famaranana, nahazo 80.000 Ar isaky ny mpianatra.

Nivoatra  izany taty aoriana, ka notohanana ny mpianatra eny amin’ny oniveriste. Nomena 1 tapitrisa Ar tsirairay avy ny mpianatra avy ao amin’ny Sekoly ambony Polytechinque Antananarivo, Ivontoerana ambony ho an’ny teknolojia Antananarivo ary ny Ivontoerana Politekinika  Antananarivo. Omena vola 1 tapitrisa ariary avy isaky ny mpahazo tombontsoa. Nahatratra 45 tapitrisa Ar ny nahazo tohana ho an’ny mpianatra miisa 45 ny taona 2004 hatramin’ny 2019.

Nivoatra hatrany izany, ka lasa mpianatra dimy no notohanana raha telo tany aloha. Lasa oniversite dimy koa no notohanana. Mitohy hatrany ny fanohanan’ny Fondation Daiho-Uchida.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.