Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asief-Taom-pikatrohana 2021: tsy raikitra ny lanonam-panokafana

Raha ny tokony ho izy, amin’ny faran’ity herinandro ity, any Toamasina,  ny tokony hanaovana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2021, ho an’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Nilaza anefa ny filoha mpitantana ny fikambanana, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love) fa tsy raikitra indray izany, noho ny tsy mbola fahatomombanana sy ny tsy filaminana misy amin’izao fotoana izao. Araka izany, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fanokafana. Etsy an-kilany anefa, efa samy mihetsika sy miomana avokoa ireo mpiasam-panjakana any anivon’ny faritra rehetra any, amin’ny fanatanterahana hetsika ara-panatanjahantena. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, efa fantatra fa ny 13 marsa izao ny hanomboka ny fifaninanana rezionaly, araka ny fampitam-baovao nomen’ny filoha mpitantana ny seksiona ny taranja Volley ball eto Antananarivo, Andriamatoa Haja. Raha ny fanazavany hatrany, mbola hodinihina mandritra ny fivoriana, ny alarobia ho avy izao, eny Anosy ny mahakasika ity fifaninanana rezionaly ho an’Antananarivo ity. Mety ho fantatra amin’io ihany koa ny daty vaovao hanaovana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2021 ho an’ny Asief.

 

Mi.Raz         

 

Les commentaires sont fermées.