Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Volley-Federasiona: Ho fanohanana ireo atleta malagasy, hizara fampitaovana ho an’ireo klioba sokajy “jeunes” ny federasiona malagasin’ny volley ball. Ireo izay rehetra nandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena 2019 no hisitraka ity fampitaovana ity. Mandritra ny famaranana ilay fiofanana karakarain’ny FMVB sy ny ligy etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny asabotsy 6 marsa izao, ny hanaovana ny fizarana, raha ny fanazavana avy amin’ny federasiona. Eo amin’ity taranja ity hatrany, eo am-panomanana ny fifaninanam-pirenena ihany koa amin’izao ny FMVB. Mialoha izany anefa mbola hitohy any amin’ny ligin’i Vakinankaratra sy Ihorombe izany fampiofanana izany, ny fiandohan’ny volana marsa ary hahazo ny anjarany ihany koa ny mpianatry ny Ans amin’ny volana aprily izao.

Lomano: Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana ho an’ny federasiona malagasin’ny lomano. Hotanterahina manomboka rahampitso 26 febroary, ao amin’ny ANS Ampefiloha ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 25 m. Raha ny vaovao, efa miainga hihazo an’Antananarivo avokoa ireo klioba any amin’ny faritra. Isan’izany ny avy any Toamasina, izay tonga nangata-tsodrano tamin’ny governoran’ny faritra Atsinanana, omaly. Mahakasika ity taranja ity eo anivon’ny ligin’Analamanga, mbola niitatra ny farafandraisana ny antontan-taratasy amin’ny firotsahana hofidina filohan’ny ligy. Nahemotra ny 6 marsa, araka izany, ny daty hanatanterahana ny fifidianana, izay efa intelo niova hatreto ity daty ity, noho ny tsy fisian’ny kandidà.

 

Nangonon’i Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.