Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Ligue des champions d’Europe»: nandresy ny Bayern de Munich

«Ligue des champions d’Europe»: nandresy ny Bayern de Munich

Nandresy an-tanin’olona avokoa ny Chelsea sy ny Bayern de Munich, teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina ny talata lasa teo. Tamin’isa tery, 1 no ho 0 ny nandresen’ny Chelsea ny Atletico Madrid, tao amin’ny kianja Arena Nationala.

Na nilalao tao an-taniny aza ny Espaniola, nanjaka tamin’ny ankapobeny ny Anglisy. Nanantombo tamin’ny lafiny rehetra ry zareo. Na izany aza, sahirana ry zalahy teo amin’ny famonoam-baolina. Efa tany amin’ny faha-68 mn vao nahatafiditra io baolina tokana nahazoany fandresena io i Olivier Giroud.

Teo amin’ny fihaonana iray indray, efa nampoizin’ny rehetra ny vokatra. Lavon’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 1 ny Lazio. Tsy niady mihitsy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta satria efa nitarika tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Rainiboto vao nahafaty ny baolina tokana ho azy ny Italianina. Baolina matin’i Lewandowski sy i Musiala ary i Leroy Sané ary ny famonoan-tena nataon’i Francesco Acerbi. I Joaquin Correa kosa ny nampiditra ny baolina ho an’ny Lazio.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.