Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanana EST: hijery ny tetikasa i Vital Serge

Fikambanana EST: hijery ny tetikasa i Vital Serge

Ho avy eto hanara-maso ireo tetikasan’ny fikambanana tarihiny, Espoirs Sportifs de Tuléar – EST i Vital Serge, araka ny fampitam-baovao. Raha ny fanazavany, hanara-maso ireo tetikasan’ny EST, efa vita sy mbola hatsangana ny anton-diany. Eo ihany koa ny fananganana tetikasa vaovao. Ankoatra izany anefa, hanatrika ilay seminera lehibe ho an’ny tanora sy fanatanjahantena karakarain’ny fikambanana ao Toliara ihany koa ny tena antony hahatongavany eto Madagasikara.

Nambaran’ity filohan’ny EST ity fa hanampy ireo mpikambana sy mpanetsika ny fikambanana amin’ny fanafainganana sy fitantanana ny fananganana ireo tetikasa ary ny fanatanterahana ireo hetsika rehetra kasaina hatao amin’ity taona ity izy, mandritra ny fotoana hijanonany eto an-toerana. Hataon’i Vital Serge vaindohan-draharaha koa ny fitsidihana ireo klioba amin’ny taranja rehetra mijoro ao Toliara. Hanohana sy hanampy azy ireo ny filohan’ny EST, mandritra izany. Haharitra eo amin’ny herinandro ny fitsidihana ireo klioba ireo ary tsy misy hohadinoiny na iray aza.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.