Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Academy Elite Barea: nijery ireo ankizy any amin’ny faritra i Dupuis

Academy Elite Barea: nijery ireo ankizy any amin’ny faritra i Dupuis

Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro lasa teo ny fidinan’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar any amin’ny faritra, hitiliana ireo katitakely hovolavolaina ao amin’ilay ivontoeram-piofanana, Academy Elite Barea. Natomboka tany Antalaha izany avy eo tao Vohémar ary nifarana tany Andapa. Betsaka ireo ankizy manan-talenta ary manana ny hoaviny ny ekipam-pirenena malagasy, araka ny fanamarihan’i Nicolas Dupuis.

Hiato kely izany fidinana ifotony ataony izany, ny volana marsa, satria hifantoka amin’ny lalaon’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’i Etiopia sy i Niger i Nicolas Dupuis. Fihaonana hiadian-toerana amin’ny Can 2022. Raha vantany vao vita ireo fihaonana roa ireo, hitohy ny volana avrily indray ny fitsirihana ireo kilonga madinika ireo ka raha ny fandaharam-potoana, any amin’ny faritra Diana sy Boeny ary Atsinanana, ny handehanany. Anjaran’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe ary Anosy indray ny volana mey ary hifarana ny volana jona sy jolay izany, ho an’ireo faritra hafa. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fananganana ity Academie Elite Barea ity fa tsy misy idiran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.