Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha volamena 73, 5 kg”: nampidirina eny Tsiafahy ilay mpiasan’ny ladoany

“Raharaha volamena 73, 5 kg”: nampidirina eny Tsiafahy ilay mpiasan’ny ladoany

Mitohy ny fanenjehana ireo voasaringotra amin’ny “Raharaha 73,5 kg atsy Afrika Atsimo”. Nambaran’ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) fa olona iray indray, nampidirina am-ponja vonjimaika, afakomaly.

Niakatra tetsy amin’ny Pac 67 ha ny raharaha rehefa nialohavan’ny fanesoran’ny minisiteran’ny Vola ny tsy fahazoana manenjika io mpiasan’ny fadin-tseranana io ka nahafahana niroso tamin’ny fanadihadiana sy famotorana. “Mpiasan’ny ladoany ao Toliara nanatri-maso ny fijanonan’ilay fiaramanidina nitondra ilay volamena izy io. Nentina niakatra aty Antananarivo ary izao nampidirina am-ponja izao”, hoy ny tonia mpampanoa lalàna, Razafindrakoto Solofohery. Anisan’ny niaraka amin’izy io ihany koa ilay zandary, efa nampidirina am-ponja taorian’ny namoahan’ilay mpanao gazety vahiny ny antontan-taratasy voalaza fa hosoka, nosoniavin’io mpitandro filaminana io.

Na izany aza anefa, mbola misy polisin’ny fiandrasana ny sisin-tany (Paf) koa voasaringotra amin’izao raharaha izao, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Pac hatrany. “Nanatri-maso ny fijanonan’io fiaramanidina io koa izy io… Eo am-piandrasana ny fahazoan-dalana manao fanadihadiana sy ny famotorana azy avy amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka azy ny fitsarana”, hoy ihany ny eo anivon’ny Pac.

Mitaky ny  hitsarana ireo trondro vaventy

Tsiahivina fa efa nitaky ny hisamborana ireo “Trondro vaventy” amin’ity raharaha ity ireo Sendikan’ny fadin-tseranana (Sempidou).

Tafakatra 14 izany izao ireo nampidirina am-ponja vonjimaika momba ity “Raharaha volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo ity.

Etsy an-daniny, andrasana ny 3 marsa izao ny didim-pitsarana momba ny fitorian’ny fanjakana malagasy ilay orinasa any Dubai, mitonona ho tompon’ilay volamena. Eo koa ny fangatahana ny hamerenana io harem-pirenena io sy ireo telo lahy voasaringotra amin’izany, niainga tamin’ny fitsarana natao ny 19 marsa tatsy Afrika Atsimo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.