Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps-CCIFM: hiova fihariana ireo very asa

Cnaps-CCIFM: hiova fihariana ireo very asa

Maro ny mpiasa very asa, vokatry ny Covid-19 satria tsy vitsy ny orinasa tsy miankina nikatona na nampihena isan’ny mpiasany. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Frantsa-Madagasikara (CCIFM), hanohanana ireny mpiasa ireny, hiverenan’izy ireo eo amin’ny tontolon’ny asa indray. Niisa 152 ny nahavita fiofanana, omaly ary nitotaly 376 hatramin’ny nanombohana tamin’ny desambra 2020. Nilaza ny talen’ny Hetsika sy fanentanana amin’ny  orinasa ao amin’ny CNaPS, Rakotomalala Yvan, fa hanampy betsaka ireo mpiasa very asa hisehatra amin’ny tontolon’ny asa vaovao indray ny fiofanana vitany. Hany fepetra notakina tamin’ny mpiofana, ny nandoavana ny latsakemboky ny CNaPS nandritra ny herintaona farany.

Anisan’ny nanaraka ny fiofanana ny vehivavy miisa telo (tsy nitonona anarana), niasa tamina hotely iray teto an-dRenivohitra. Ampolony ny mpiasa voatery noesorina vokatry ny Covid-19. Nilaza ny iray tamin’izy telovavy fa hiova fihariana tanteraka izy, hisehatra amin’ny fanaovam-bolo. Nahalalany zavatra maro ny fiofanana narahiny, nandritra ny roa andro.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.