Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: « Mpanao hadisoana miverimberina ny filohan’ny oniversite »

Toamasina: « Mpanao hadisoana miverimberina ny filohan’ny oniversite »

Nitondra fanazavana sy porofo momba ny olan’ny vatsim-pianarana tany amin’ny oniversiten’i Toamasina ny minisiteran’ny Fampianarana ambony.

« Mpanao hadisoana matetika miverimberina ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Randriamasitiana Gil Dany, nandritra ny fanazavana momba ny olan’ny oniversiten’i Toamasina, omaly teny Fiadanana. Rehefa zohina ny zava-misy rehetra, misy fitantanana tsy mazava sy gaboraraka ao amin’ny oniversiten’i Toamasina ary tsy sambany no niseho ny olan’ny vatsim-pianarana. Efa nitranga koa ny fitakiana vatsim-pianarana niafara tamin’ny hetsiky ny mpianatra ny taom-pianarana 2018- 2019, hoy ny nambarany ihany. Ankoatra izay, ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, rehefa nanao fitsirihana sy fanaraha-maso ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, nisy fihoaram-pefy nibaribary tamin’ny fitantanana ny volam-panjakana teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Voalazan’ny lalàna fa tsy misitraka vatsim-pianarana ireo mpianatra namerin-taona nefa nahazo avokoa izy ireo nandritra ny taom-pianarana. Mihoatra lavitra ny isan’ny mpianatra nisoratra anarana no nomena vatsim-pianarana rehefa nanadihady ny antontan-taratasy rehetra ny tomponandraikitra. Manana adidy hanara-maso ny fitantanana ny oniversite ny minisitera mpiahy na eo aza ny fahaleovantenan’ny oniversite tsirairay amin’ny fitantanana sy ny lafiny pedagojia voafaritry ny lalàna.

Ho an’ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana farany teo tany an-toerana, efa nisy fihaonana niarahan’ny sokajin’olona sy fikambanan’ny mpianatra tany Toamasina, ny 15 febroary, efa nandrasana nisy aina nafoy vao nivoaka ny lisitra ny 18 febroary, hoy ny voalazany ihany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.