Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teny malagasy: maro ny tokony hahitsy

Tsy misy afaka mihambo fa mahafehy tanteraka ny teny malagasy. Na izany aza, efa misy ny voka-pikarohana na valim-pikarohana azo ampiasaina tsara mba tsy handiso. Maro amin’izy ireny no narafitra ho fitsipika hoenti-manoratra. Tokony hampiasaina izy ireny fa tsy ho tazanim-potsiny. Mbola olana anefa ny tsy fahampian’ny fanapariahana azy ireny. Firy amin’ny tokantrano malagasy, ohatra, no manana ny boky « Rakibolana » ? Firy amin’ireo sampandraharaha isan-tokony no mampiasa ireo boky mirakitra fitsipi-pitenenana malagasy efa nivoaka hatramin’izay? Omena ora firy any an-tsekoly ny fampianarana ny teny malagasy ?

Mbola maro ny tokony hahitsy. Tsy ny teny malagasy ihany fa ny fomba fiasa hoenti-mampahafantatra sy maha zava-dehibe ny fananana ny tenin-drazana. Mila homena vahana ny fampianarana ny fitsipi-panoratana. Tsy voatery hisy mpampianatra fa efa goavana be ny famakiana boky mirakitra fitsipi-pitenenana.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.