Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soratononina 2020: notolorana loka ny 10 voalohany

Soratononina 2020: notolorana loka ny 10 voalohany

Tontosa ny zoma 19 febroary, maraina ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny teny ibeazana teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nampitondraina ny lohahevitra “Ampiroboroboina ny fimaroanteny ho fampiatiana ao amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fiarahamonina” izay novelabelarin’ny profesora Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia.

 Tao anatin’izany ihany koa, notolorana loka toy ny boky maro isan-karazany : angano, boky voambolana sy fiofanana navoakan’ny foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy ireo 10 mianadahy voalohany tamin’ny fifaninanana soratononina 2020. Ankoatra izay, nanome 3 tapitrisa ariary koa i Madeleine Ramaholimihaso, Filohan’ny andrin’ny mariboninahitra Malagasy. Marihina fa roa ihany no tonga nandray izany. Notolorana ny Loka Ramanandraibe Joseph sy Razafitsara Félicie ireo 10 voalohany, Izay somary nisy fifandisoana tamin’ny anarana (gazety nivoaka ny asabotsy teo)  ka hitondrana fialan-tsiny.

Randria

Les commentaires sont fermées.