
Nifanenjehan’ny polisy nanao fisafoana ny lehilahy telo nampiahiahy tao Ambatomisihazo Soavinandriana, ny harivan’ny Alakamisy lasa teo. Tsy namelan’ny mpitandro filaminana raha tsy tratra izy telo ka nahatrarana rongony niisa fito fonosana. Taorian’ny fanadihadiana natao ireo mpidoroka zava-mahadomelina ireo, nanondro ny mpamatsy rongony tao an-toerana izy ireo. Vokany, voasambotra ny lehilahy iray fantatra tamin’ny anarana hoe Ruffin izay anisan’ny mpamongady rongony hikoizana ao Soavinandriana. Teo koa no nahafantaran’ny polisy fa mpamatsy ireo sarona rehetra i Masy, monina ao Talata, kaominina Ampefy. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tra-tehaka io lehilahy io.
Tsiferana Randriatiana
Les commentaires sont fermées.