Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sendikan’ny Croua: « Takinay ny karama roa volana mahery…. »

Sendikan’ny Croua: « Takinay ny karama roa volana mahery…. »

« Mijoro izahay mitaky ny zonay. Roa volana mahery tsy nandray karama na efa notakina sy nanaovana ny dingana rehetra aza izany teny anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony”, hoy ny avy amin’ny sendikan’ny mpitantana ny toeram-pononenan’ny mpianatra (Croua), Andriantsitohaina Tefy, teny Ankatso, omaly. Efa nisy tompon’andraikitra nandray ny solontenan’izy ireo ary nambara fa efa an-dalam-pikarakarana… Efa nametraka taratasy teo anivon’ny minisitera sy nanome 48 ora ireto mpiasa ireto. Efa tapitra izany ary niroso amin’ny fitakiana faobe indray avy eo. “Tsy mbola tonga ihany anefa ny karama… Tena mijaly izahay mpiasa maherin’ny 250”, hoy ihany izy. Tsy vitan’izany koa anefa fa noesorina amin’ny toerany ireo lehiben’ny sampandraharahan’ny Croua ho setrin’ny fitakiana. “Misy teritery, tsindrihazolena sy fandrahonana ary famindran-toerana atao aminay”, hoy izy ireo. Araka izany, manaitra ny tompon’andraikitra izy ireo manoloana izao tranga izao.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.