Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sao lasa fomba fotsiny…

Sao lasa fomba fotsiny…

Maromaro ny hetsika fankalazana sy fahatsiarovana nomarihina tato ho ato. Teo, ohatra, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tenindreny, ny 21 febroary. Nanao izay ho afany ireo mpikarakara hahalavorary izany, ho an’ny eto Madagasikara. Mby aiza anefa ny fampiainana izany ny Malagasy tompon’ny teny? Zary fombafomba sisa ilay fanamarihana fa ny fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina, toa tsy hita taratra. Ny antony, ny tompon’ny teny ihany no manaraby ny azy. Fandaharam-pianarana hampitam-pahaizana ho an’ny taranaka malagasy honina sy hivelona eto Madagasikara, atao amin’ny teny vahiny. Mila fandraisana andraikitra izany ho an’ny mpitondra. Raha tiana handroso ny firenena iray, ny teniny, ny fombany, ny tantarany, mila iainana fa tsy isehoana ivelany fotsiny. Ireo no fototra iorenan’ny firenena mahaleo tena. Efa nopaohin’ny rivotry ny fandrosoana vahiny anefa izany ankehitriny noho ny fihinanana am-bolony sy fanarahana be fahatany izay rehetra miseho. Izay ilay toe-tsaina zatra miaina amin’ny fombafomba ka ny mahafinaritra lasa alohan’ny mahasoa. Sarotsarotra ny fanarenana izany raha tsy eo ny finiavana sy fitiavana ny maha izy azy ny tena, dia ilay Malagasy mandala ny fototra nipoirany. Ny ahina mantsy ny ho lasa mpivahiny an-tanindrazany ka hanjakan’ny tompon-tany avy any ivelany. Mandrosoa hasina daholo ary.

Tsetsatsetsa tsy aritra ny itenenana ny teny filamatry ny skoto hoe “Skoto indray andro, skoto mandrakizay”. Mitory fiainana izany, manaja ny maha izy azy. Ny irariana, mba ho izany tokoa fa tsy hiseho ivelany fotsiny amin’ny fanamiana mba ho hit an’ny rehetra fa skoto tokoa. Andro iraisam-pirenena ho an’ny skotisma, omaly. Mirary an’ise hahavita be.

Andry Fenomanana

Les commentaires sont fermées.