Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sandam-bola Ariary: manodidina ny 4.600 Ar ny 1 Euro

Sandam-bola Ariary: manodidina ny 4.600 Ar ny 1 Euro

Mitovitovy ny lanjan’ny Ariary tamin’ny faran’ny volana janoary 2021 teo ny sandany amin’izao fiafaran’ny febroary izao. Tsy mbola miverina amin’ny niheverana azy etsy ankilany, fihariana mampiditra vola vahiny, toy ny fizahantany sy ny fanondranana entana any ivelany, vokatry ny Covid-19.

Ambony indrindra! Tafakatra 4.595 Ar ny vola malagasy Ariary, omaly 22 febroary, raha oharina amin’ny Euro, tamin’ny 3 ora tolakandro. Raha jerena ny tany aloha, nahatratra 4.585 Ar, ny 27 janoary ary 4.577 Ar, ny 1 febroary. Azo adika fa sanda ambony indrindra ity, omaly ity, izay efa manakaiky ny 4.600 Ar.

Ho an’ny vola dolara, nahatratra 3.784 Ar ny 1 dolara, omaly. Raha jerena ny nanomboka ny fiandohan’ny taona 2021, nahatratra 3.788 Ar, ny 29 janoary, ary 3.789 Ar , ny 1 febroary.

27 janoary ary niakatra 3.769 Ar, ny 19 febroary.

Midika ireo fa niverina nitontongana toy ny tamin’ny faran’ny volana janoary sy ny fiandohan’ny febroary ny sandan’ny Ariary, amin’izao herinandro faran’ny volana febroary izao, izay sanda ambony indrindra.

Ny sandam-bola dolara no tena ampiasain’i Madagasikara amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, toy ny solika. Raha ny vinavina ao anatin’ny tetibola 2021, tombanan’ny fanjakana hahatratra 3.936,7 Ar ny salan’ny 1 dolara amin’ity taona 2021 ity, manome fihenan-danja -3,7% raha ampihataina ny sandany tamin’ny taona 2020.

Tsy mbola miverina ny fizahantany

Manantena ny fanjakana malagasy fa hiverina tsikelikely ny fihariana mampidi-bola vahiny amin’ity taona ity. Anisan’izany ny sehatry ny fizahantany, vinavinainy fa hiharina manomboka amin’ity telovolana voalohany 2021 ity. Iaraha-mahita anefa fa mbola mikatona ny sisin-tany avy any ivelany, koa tsy azo antoka ity fanantenana amin’ny fiverenan’ny mpizahatany ity mialoha ny volana avrily izao.

Maminavina koa ny fanjakana fa hiverina ho toy ny talohan’ny krizy Covid-19 ny famokarana any amin’ny orinasa afakaba, manome 27,9%-n’ny fanondranana entana any ivelany, ny taona 2019. Manampy io ny fahatongavan’ny mpampiasa vola vahiny (IDE) aty Madagasikara. Eo koa, fanamafisan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ny tahiry vola vahiny sy ny volamena. Mila hamafisina koa ny fampodian’ireo mpandraharaha manondrana entana any ivelany ny vola vahiny.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.