Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ravololomanana Lalatiana – CUA: « Misy ny ezaka fanadiovana sy fanovana eto »

Nitondra ny heviny sy ny fahitany ny fitantanana eo anivon’ny CUA ny mpanolotsaina, Ravololomanan Lalatiana, ny herinandro teo.  « Misy ny ezaka amin’ny fanadiovana sy ny fanovana eo anivon’ny kaominina », hoy izy. Nambarany fa efa nanomboka tao anatiny izany satria niaina fahalovana tao anatin’ny taona maro ny CUA. Niseho tamin’ny endrika maro izany, niampy ny tambajotra hatramin’izay. Noraisiny ho ohatra ny fivarotana ny fananan’ny kaominina, tamin’ny fomba tsy ara-dalàna . Anisan’izany ny tany Antsonjombe, Antaninarenina…  « Nanao ny fanadiovana ny CUA ary niezaka namerina ny fananam-bahoaka ho an’ny tanàna.  Eo koa ny gaboraraka sy ny tsikombakomba sy kolikoly tao. Samy efa nandraisana fepetra avokoa izany », hoy ihany izy.

Manampy izany ny nametrahan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina ny filankevi-pitsipi-pifehezana (Codis) indray mandeha isam-bolana. « Maromaro ireo mpiasa efa nandalo tao. Nisy nahazo fampitandremana sy voaroaka na koa mpiasa nigadra. Nanao ny tsy mety izy ireny tamin’ny kolikoly na koa nanao ny tsy rariny », hoy ihany izy.

Etsy an-daniny, nisy koa anefa ny ezaka ety ivelany amin’ny fanadiovana sy fanovana. Anisan’izany ny tsena sy ny fako ary ny fanorenana tsy ara-dalàna, araka ny nambarany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.