Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Préfet de police, Jly Ravelonarivo Angelo: «Handraisana fepetra ny fandaharana Miara-Manonja…» 

Préfet de police, Jly Ravelonarivo Angelo: «Handraisana fepetra ny fandaharana Miara-Manonja…» 

Hentitra ny teo anivon’ny Prefet de police tamin’ny alalan’ny Jly Ravelonarivo Angelo momba ny fandaharana Miara-Manonja. « Misy ny fepetra horaisana momba ny Miara-Manonja satria manohintohina ny filaminam-bahoaka ireo olona miteny ao. Tsy mbola holazainay kosa anefa ny fepetra horaisina amin’izy ireo », hoy izy nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nandritra ny fivorian’ireo tompon’andraikitra misahana ny filaminana (EMMO/FAR), omaly, teny amin’ny toby Ankadilalana. Nohitsin’ity manamboninahitra ity mihitsy aza fa hoe fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny io Miara-Manonja io ka tsy azo ekena. Mba ho fisorohana ny mety hisian’ny fikorontanana no antony namindrana azy ireo teny amin’ny toerana voatokana nomena azy ireo, saingy tsy nety nanao izany tatitra nokasain’izy ireo hatao teny ireo mpitarika ny Miara-Manonja. Nilaza kosa ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto amin’ny faritra Analamanga, ny Jly Rakotondrazaka Andry momba ireny zava-nitranga ny asabotsy lasa teo ireny fa tsy nisy ny aina nafoy satria naneho famendrehana sy fitoniana ny olona, saingy na teo aza anefa izany nisy ihany fandikan-dalàna nataon’ireo olona sasany ka voatery tsy maintsy niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny mpitandro filaminana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.