Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanao taratasim-bola tsy misy antoka: karohin’ny polisy i Thomas Vittil sy ny vadiny

Nanao taratasim-bola tsy misy antoka: karohin’ny polisy i Thomas Vittil sy ny vadiny

Namoahan’ny polisy didy fikarohana ireto mpivady hita amin’ny sary ireto, izay mpitantana orinasa iray eto an-drenivohitra kanefa samy nanao taratasim-bola tsy misy antoka…

Toy izao ny mombamomba azy mivady ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Thomas Vittil, teraka tamin’ny 11 janoary 1972 tao Kerala Inde, asany : mpitantana ny Génesis – Co Gérant de la société Génesis International. Toeram-ponenany farany nahitana azy : Lot Sis – IBM 17 Bis Isoraka. Antony hikarohana azy, nanao taratasim-bola tsy misy antoka. Toy izao kosa ny momba ny vadiny : Andrianarinosy Seheno, teraka ny 13 novambra 1993 tao Toliara. Asany : mpitantana ny orinasa Génesis – Co gérant de la société Génesis International. Toeram-ponenana nahitana azy farany : Lot Sis – IBM 17 Bis Isoraka. Antony hikarohana azy : Nanao taratasim-bola tsy misy antoka (emission de chèque sans provision). Miangavy izay mahita ireto olona ireto mba hampandre haingana ny service central des investigations economiques et financières (SCIEF) Anosy na hiantso ny laharana telefaonina 034 05 507 45 / 034 12 995 01 / 033 74 364 84.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.