Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maro ny tsy mandoa:  10% ny tahan’ny fampidiran-ketra

Kely ny fidiran’ny hetra eto Madagasikara. Manodidina ny 10,5% ny tahan’ny fampidiran-ketra, miohatra amin’ny Vokatra anatiny faobe (PIB) eto Madagasikara, ny taona 2019. Raha ny vinavina anaty tetibola 2021, manodidina ny 10,9% no hokendrena hampidirin’ny fanjakana. Notsorin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Randriamandrato Richard, fa ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika ka miezaka mafy ny fanjakana. Kely ny tahany raha oharina amin’ireo firenena afrikanina sasany izay efa misy mahatratra 14 na 15%.

Notsipihiny fa efa mahatratra 58% kosa ny any amin’ny firenena mandroso, indrindra ny any Eoropa Avaratra, toa an’i Danemark, ohatra. Izany hoe, mandoa hetra daholo ny antsasa-manilan’ny mponina.

Tanjona ny 14%

Ilaina ny hanitarana ireo mpandoa hetra, satria mitaraina ireo efa mpandoa fa izy ireo ihany no voa.Misy karazany maro ny hetra, mivantana sy tsy mivantana, toy ny alaina amin’ny karama (Irsa), ny Hetra tambatra (impot syntehtique), ny TVA,… Eo koa ny haba sy ny tamberim-bidy, sns.

Raha mitombo ny isan’ny mpandoa hetra, azo ahena ny tahany. Tanjon’i Madagasikara ny hanatratra ny tahan’ny fampidiran-ketra ho 14% amin’ny taona 2023.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.