Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fifanintsanana «Can 2022»: mety hatao any Barikadimy ny lalaon’ny Barea sy i Niger

Kitra – Fifanintsanana «Can 2022»: mety hatao any Barikadimy ny lalaon’ny Barea sy i Niger

Efa naneho tamin’ny ampahany ny tsy fanekeny ny handraisan’ny kianjaben’i Mahamasina ny lalao hikatrohan’ny Barea sy i Niger ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) sy ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa).

Araka ny tsilian-tsofina, tsy afaka hotanterahina ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny lalao miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Le Mena an’i Niger eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2022, taranja baolina kitra. Fihaonana voalahatra hatao ny 30 marsa ho avy izao. Tsy neken’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) sy ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) mantsy ny tsy mbola fahavitan’ny kianja sy ny toetoetrany amin’izao fotoana izao.

Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa nasain’ireo rafitra misahana ny baolina kitra eto Afrika sy maneran-tany ireo nalefa any aminy ny sarin’i Mahamasina, amin’izao fotoana izao. Manify ary kely ny vintana haneken’izy ireo ny hanaovana ny lalao ao amin’ny kianja nasiam-panamboarana io. Miandry ny ho valin-teny ofisialy avy amin’izy ireo izany ny rehetra.

Vokatr’izay, tsy manan-tsafidy ny Malagasy fa tsy maintsy any amin’ny kianja Stadium Barikadimy hatrany ny hanaovana io lalao io.

Fotodrafitrasa efa nandraisana ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Na izany aza, mbola misy fepetra takin’ny Caf sy ny Fifa ihany koa ao amin’izany kianja izany satria tsy maintsy apetraka amin’ny “gradin” ny seza ho an’ny mpijery miaraka amin’ny tarehimarika, tsirairay avy.

Tsiahivina fa tsy mametraka olana amin’ny kianja hilalaovana i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar na eo Mahamasina na any Toamasina. “Vonona foana ireo mpilalao amin’izay toerana hanatanterahana ny fihaonana”, hoy izy.

Ankoatra izay, tsy mbola milamina ihany koa ny ho fanamiana hoentin’ny Barea de Madagascar miatrika ireo ambin-dalao roa ireo.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.