Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina: hisy “champions league” ho an’ny vehivavy

Nivory tao Johannesburg, Afrika atsimo, ny alahady 22 febroary lasa teo, ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, mivondrona ao amin’ny Council of southern Africa football associations (Cosafa), taranja baolina kitra. Fantatra fa tsy ho latsaky ny 10 ny isan’ireo fifaninanana kasain’izy ireo hatao amin’ity taona 2021 ity, ka anisan’ny vaovao amin’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny klioba sokajy vehivavy na “champions league”.

Ankoatra izay, nanambara ireo firenena 14 mpikambana ao amin’ny Cosafa fa hanohana ilay afrikanina tatsimo, i Patrice Motsepe, amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf), ny 12 marsa ho avy izao. Tsiahivina fa nanohana an’i Ahmad izy ireo teo aloha, saingy izao nivadika izao. Marihina fa mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Fifa i Ahmad, amin’ny fahazoany milatsaka hifaninana amin’ity ho filohan’ny Caf ity na tsia.

Nanatrika ity fivoriana ity i Gianni Infantino, filohan’ny Fifa sy i Patrice Motsepe.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.