Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Manandriana: niaro ny tontolo iainanana sy nifanabe ny Sonita

Namboly zana-kazo miisa 7 000 teny Ambohimanampana, kaominina Manandriana, Avaradrano ireo avy amin’ny mpino silamo Sonita eto Antananarivo, ny alahady teo. Maherin’ny 600 eo izy ireo, ahitana tanora sy lehibe ary ankizy izany avy amin’ny “Mosquée” sy fikambanana ary ivontoeram-panabeazana silamo eto an-drenivohitra. Nitarika izany ireo raiamandreny am-panahy. Tafiditra amin’ny adidy ho an’ny firenena izany sady nanao fampiharana ny fampianaran’ny finoana silamo momba ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana izy ireo tamin’izany.

Nanefa ny adidiny koa ny loholona voafidy tao Mahajanga, i Alidy Bin Issouf sy ireo sivily sy miaramila zanak’ity finoana ity. Nankasitraka ireo rehetra nanomana sy nikarakara, indrindra fa ny fanjakana tamin’ny fanatanterahana iny fambolen-kazo iny ny komity mpikarakara. Nankasitraka ny ezaka vita kosa ny loholona Alidy Bin Issouf. Tanjon’ny firaisan’ny mpino silamo Sonita ny hanohy ny ezaka efa natomboka amin’ny alalan’ny fikolokoloana ireo hazo sy ny fanatanterahana fambolen-kazo isan-taona.

Synèse R.   

Les commentaires sont fermées.