Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana federasiona: mbola mijoro ara-dalana ny Muay Thai

Manoloana ny tsaho sy fanakorontanana ataon’ny olona sasany, nanambara ny filohan’ny federasiona malagason’ny Muay Thai, Rakotoalizao Gervais, fa mbola mijoro ara-dalàna ny birao mitantana. Mbola amin’ny volana desambra izao vao tapitra ny fe-potoana fitantanana. “Mandiso tanteraka ny fanelezana tsaho filazana fa foana ny Federasiona malagasin’ny Muay Thai ny tenako“, hoy ny teny hentitra nambaran’ity filohan’ny federasiona ity. Tsy hipetra-potsiny manoloana izany ny mpitantana fa hametraka fitoriana any amin’ny rafitra ambony sy mahefa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. “Fanalam-baraka ny taranja izao ataon’ny sasany izao ka tsy azo ekena”, hoy hatrany Rakotoalizao Gervais.

Tetsy ankilany, nanamafy ny Tale teknika nasionaly, Rabenaivo Mamy Hery, fa tsy vitan’ ny manely tsaho fotsiny ireo manakorontana ireo fa sady misandoka andraikitra ihany koa. “Nisy taratasy mitatitra ny fahavitan’ny fifidianana ny vaomierana misahana ny fikarakarana fifidianana anivon’ny seksiona tonga taty izay tena tsy ara-dalana”, hoy izy. “Klioba 5 monja ny voamarina fa tonga nifidy kanefa nolazaina fa 9”, raha ny fanazavany hatrany. “Efa hatramin’ny ela ny nisy nanenjika ny tenako, indrindra amin’ny fandehanako matetika miofana any ivelany kanefa tsy nahakivy ahy izany, hoy Rabenaivo Mamy Hery. Hatreto, mbola ity DTN ity ihany ny “officiel” malagasy fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.