Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Diana, Sofia, Sava: hikija ny orana noho ilay tangoron-drahona matevina

Hanomboka rahampitso, hisitraka oram-baratra matetika ny amin’ny afovoan-tany, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Voakasik’izany ny eto Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.

Mitohy ny fanaraha-maso akaiky ny faritra andro ratsy ao avaratry ny Nosy.

Mety hivadika rivodoza izy any amin’ny faran’ny herinandro, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro hatrany.

Mitondra orana betsaka any amin’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana ity andro ratsy ahina hivadika ho rivodoza ity. Mila mailo ireo mpiandriaka any amin’ny morontsiraka Atsimo Andrefana, Atsimo ary Avaratra fa hanonja na hahery ny ranomasina

Nampahatsiahy ny Meteo Malagasy fa mbola manan-kery ny fampitandremana miloko mavo mahakasika ny haavon’ny onjan-drano amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’i Madagasikara.

Hampanano sarotra ny fifamezivezena eny an-dranomasina izany haavon’ny onja izany ka mila mitandrina hatrany ireo mpiandriaka. Mety hahatratra 3m hatramin’ny 3.5m ny haavon’ny onja.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.