
Nitohy tany Manakara ny fanofanana ireo mpanao mofo, anatin’ny fanofanana nomen’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana (Mica) ary ny FMFP*. Anisan’ny mpanao asa tanana ireo mpamadika vokatry ny fambolena. 85 izy ireo nanaraka izany fiofanana tany amin’ny distrikan’i Manakara ka 65 nampiana tamin’ny fahazoana karatra maha matihanina.
Naharitra roa herinandro ny fanofanana nomena azy ireo, nanamafisana ny fahaiza-manao mamadika vokatry ny fambolena. Taorian’izay, matihanina izy ireo, manana karatra, anatin’ny rafitra ara-dalàna. Raha eto Antananarivo, eo ny fiaraha-miasan’ny CNaPS sy ny Cenam (Centre national de l’artisanat malagasy) amin’ireo mpanao mofo ireo. Naharitra roa herinandro ihany koa ny fanofanana azy ireo nomen’ny mpanao mofo “Vannier”.
Tanjona ny hampiroroboana ity sehatrasa ity, hahatonga ireo mitrandraka azy ho matihanina tanteraka. “Zava-dehibe ho an’ireo mpanao asa tanana ireo ity volana febroary ity hidirana amin’ny fahaiza-manao mamadika ny vokatry ny fambolena hahamatihanina ireo mpanao asa tanana”, hoy ny tale jeneralin’ny asa tanana, i Kajaly Audace.
FMFP*: Fonds malgache de formation professionnelle
Les commentaires sont fermées.