Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Campus Oniversiten’i Toamasina: mbola tsy milamina ny raharaha

Mbola mandrimandry tsy milamina ny fiainan’ny mpianatra ao amin’ny campus Barikadimy Toamasina. Efa lasa nentina any an-tanindrazana ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny razan’ilay mpianatra namoy ny ainy nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana. Etsy an-kilany, nidina an-dalambe ary tonga hatreny amin’ny sampanan-dalana Ankirihiry ireo vondron’ny mpianatra fa hoe hanakorontana ny fizarana vatsim-pianarana iray volana efa nivoaka. Nikasa ho any amin’ny fitsarana hangataka ny hanolorana amin’ny fitsarana ireo mpitandro filaminana nahavanon-doza, saingy teo Ankirihiry dia voasakan’ny mpitandro filaminana ka nanosika azy ireo hiverina any amin’ny faritry ny oniversite. Tsy nisy kosa ny fifanoherana teo amin’ireo mpianatra. Vokany, mba hametrahana fandriampahalemana sy fitoniana ho an’ny mpianatra, nisy ny fihaonan’ny governoran’ny faritsa Atsinanana, Rafidison Richard Theodore sy ny solontenan’ny mpianatra isaky ny faritra 22 ary koa ireo delege isaky ny sampam-piofanana, omaly tolakandro. Tsy mbola nisy nipika kosa ny dinika satria mbola tao anatin’ny fihaonana izy ireo. Voantso tsirairay eo anivon’ny sampana fisafoan-draharaham-panjakana ny mpiasa rehetra, indrindra ireo misahana ny maha olona sy ny mpianatra.

Sajo/J.C

 

Les commentaires sont fermées.