Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankoatra ny tohana mivantana: hofanina momba ny asa ireo mpisitraka ny tetikasan’ny Fid

Ankoatra ny tohana mivantana: hofanina momba ny asa ireo mpisitraka ny tetikasan’ny Fid

Ankoatra ny tohana mivantana entin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) ho an’ny vondron’olona marefo amin’ny tetikasa “Asa avotra mirindra”, “Fiavota”, “Vatsin’Ankohonana” ary “Ndao hianatra” sy ny maro hafa, hahazo fanofanana momba ny asa koa ireo mpisitraka ahafahany manana fidiram-bola maharitra, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Fida, Razanadrainiarison Rondro, omaly teny Mahazoarivo. 20 andro ny faharetan’ny fiofanana isaky ny taranja iray ka 40 ny andiany iray, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana momba ny asa, Tsikel’iankina Ernest. Mpampianatra avy amin’ny lycée teknika sy ireo mpanao asa tanana efa manana traikefa no hampiofana ka tsy voatery anaty efitrano ny fampiofanana fa zava-dehibe ny fampiharana mivantana eny an-kianja. Hahazo taratasy manamarina ny fahavitan’ny fiofanana ireo rehetra nisitraka izany. Manodidina ny 400 000 eo ho eo ny mpisitraka ireo tetikasan’ny Fid ho fanohanana ny vondron’olona marefo ary vehivavy miahy ny zanany irery ny ankamaroany. Hanomboka ny volana marsa ny fiofanana ary haharitra herintaona. Tsy anavahana ny fiofanana fa afaka manao avokoa ny rehetra. Misy taranja sasany mitaky mari-pahaizana ihany. Tafiditra amin’ny taranja hiofanana ny mpamaky vato, mpandrafitra, mpikarakara  sy mpamboly voninkazo, mpanamboatra trano.

Natao, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.