
Saron’ny zandary tao amin’ny tanànan’Andohanakoho, fokontany Ankirinomby Kaominina Vinanikarena distrika Antsirabe, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany ny lehilahy iray malaza amin’ny fanakanan-dalana. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity no nisy nampandre ny mpitandro filaminana. Tratra tao anaty tatatra iray tao anatin’ny Fokontany Ankirinomby io, arak’izany, ny tenany. Mbola teny aminy ny kibay lava fampitahorany ireo mpandeha voasakany sy hanaovany fandrobana. An-kilany, noravan’ny zandary koa ny sakana vato sy bozaka teo amin’ny lalam-pirenena ary natolotra ny fitsarana mahefa i Mamy. Nanamafy ny mpitandro filaminana any an-toerana fa tsy hisangy amin’ireo tratra manao io asa ratsy io.
Tsiferana Randriatiana
Les commentaires sont fermées.