Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsara ivelany… mamitaka sy mamotaka

Tsara ivelany… mamitaka sy mamotaka

Ny fitadiavana, hono, mahazaka maniraka… mahalasa lavitra. Ary ny fahantrana na tsy fisiana mampanaotao foana? Amin’izany, misy tonga na mahavita zava-tsy ampoizina indraindray: manao ny tsy fanao na manaotao foana tokoa; eny, mety mihinankinam-poana na mihinana ny tsy fihinana aza, sanatria. Tsy fidiny izay, na noho ny tsy fahafaha-manoatra. Raha tsy efa very saina na adala angaha, sanatria.

Zava-misy eo amin’ny fiainana izay, tsy vaovao. Ny aza tratrany ihany? Na izany aza, misy fatra sy fetra mandrakariva ny zava-drehetra: ny azo atao sy ny tsy azo atao, ny azo ekena sy ny tsy azo ekena, ny azo leferina sy ny tsy azo leferina. Inona, rey olona, no ndeha hiresahana na hampahatsiahivana izany? Amin’izao toe-draharaha politika izao, misy ny tsy mahatsiaro tena amin’izay lazainy sy ataony.

Nahoana no misy mahavatra miteniteny fahatany sy mitady hanaotao foana amin’ity hoe politika? Tratran’ny tsy fidiny na adala tsy afa-manoatra, na tratran’ny tsy fahaporetana… Iza no mahita na mahalala? Mety ho fahantrana koa… Efa fomba fijery tsy mahita lavitra afa-tsy ny tombontsoan’ny tena? Na tsy mahita lalan-kafa fa izay mahazatra ihany; eny, na hita izao aza efa namarina an-kady ny firenena.

Fahantrana politika na fahaporetana politika àry ve izao mahazo ny sasany izao? Tsy vitan’ny hoe tsy mahandry tantana amin’ny fifidianana manaraka fa miteniteny fahatany sy manaotao foana: afafy ny lainga, aely ny tsaho.Tsy efan’izay, mitady hanao amboletra amin’izay kasaina hatao efa fantatra izao fa misy fetra sy fehezin’ny lalàna. Fihantsiana fanahy iniana amin’itsy sy iroa hamandrihana ny hafa?

Ho voafandrika amin’izany ve na ny vahoaka na ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Na hanara-dia anjambany, na tsy hanaiky ka mety hanaotao foana ho azy amin’izao, na ho ela na ho haingana, sanatria. Hanao ahoana ny tohiny? Mila fahamatorana sy fahendrena fa tsy fahatahorana sy faharesena… tsy miady. Tsara ivelany ary tsy ampoizina mandrakariva ny endri-javatra mamitaka… mamotaka?

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.