
Vao mangirandratsy tokony ho tamin’ny 5 ora sy 45 minitra, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana mpivady teo amin’ny tetezan’ Iavoloha. Velona soa aman-tsara kosa ilay zazalahikely zanak’izy ireo…
Nandriaka vao maraina ny ra, omaly alahady, tetsy amin’ny RN7 Iavoloha, mpivady vao erotrerony no indray nindaosin’ny fahafatesana noho ny lozam-pifamoivoizana. Kamiao lehibe iray no nifandona tamin’izy telo mianaka ka nitarika ny fahafatesana. Natsipin’ilay renim-pianakaviana teny an-tanany kosa ilay zazalahikely ka avotra soa aman-tsara. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso, an-dalam-pisongonana ny fiara lehibe izy telo mianaka kinanjo nisy bisikileta nifanena tamin’izy ireo tampoka. Tafasitrika tao ambany kodiaran’ny kamiao avy hatrany ny moto noetin’izy ireo raha toa ka nipitika ivelan’ny arabe ilay zazalahikely. Maty teo no ho eo vokatr’izany izy mivady. Ankilany, tsy misy ahina ny ainy ilay zazalahy zanak’izy ireo, saingy naratra noho ny voina ny vatany.
Tsiferana Randriatiana
Les commentaires sont fermées.