Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Rahoviana vao ho tonga saina ny “Avara-pianarana”?

Tsy leo grevy ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Efa mifanentana indray ry zareo eny Ankatso amin’ity herinaandro ity. Soa fa misy manao fanadinana ireo tena lohandohan’ny mpisorona, ka antenaina fa handamoaka ny fitaoman’ireo mpitaky. Na izany aza nefa, tsy azo tsinontsinoavina ny mety hisian’ny fitokonana eny. Fantatra ihany hatrizay fa tsy niraharaha izay fanadinan’ny sampam-pinarana sasany izany izy ireo rehefa te hanatratra ny tanjony. Nisy fotoana, nohidiana mihitsy ny efitrano misy ny mpiadina mba tsy hanakorontan’ny andiana mpianatra azy ireo.

Fampahafantarana, na fampahatsiahivana kely fotsiny ho  an’ireo miketrika fitokonana : ho an’ny toeram-pianarana momba ny ny toe-karena sy fitantanana ary haifiarahamonina (faculté d’économie, de gestion et de sociologie) dia tamin’ny 10 febroary teo no tapitra ny fisoratana anarana. Mety hitovitovy amin’izay avokoa ny toeram-pianarana hafa. Midika izany fa vao folo andro mahery kely izay no tena nandamina ny isan’ny mpianatra afaka handray vatsim-pianarana ireo tompon’andraikitra. Saingy, efa tongotra mby an-dakana moa ny an’ireo mpitaky ny vatsim-pianarana ka asa na mbola hiverina na tsia.

Tato anatin’ny folo taona farany, tsy nisy taona iray angamba tsy nahenoana grevy teny Ankatso, Vontovorona na Ampefiloha. Rehefa tsy manao ny mpianatra dia ireo mpampianatra indray no manapaka ny fampianarana. Lasa ihany ny saina nony farany : tena tsy voavalin’izay mpitondra nifandimby izay tokoa ve ny fitakian’izy ireo ? Raha izany nefa no zava-nisy, nahoana no toa isan-taona no isian’ny fitakiana fa tsy mitohy lavareny ? Izao moa dia mitaky ny hisondrotan’ny vatsim-pianarany ho avo roa heny indray ny mpianatra, ankoatra ny fandoavana ny efa-bolana. Naninona no tsy talohan’ny namoahana ny tetibolam-panjakana ho amin’ity taona ity no nnitakian’izy ireo izany ?

Mila tonga saina ny tanora avara-pianarana, hoavin’ny firenena. Mila mametraka izay tena laharam-pahamehana marina ho azy izy ireo fa tsy ho taitaitra isaky ny volana fahefatra hitsahana aorian’nny fidirana ka hidina an-dalambe. Raha izao no mitohy, tsy hisy fandrosoana ho an’i Madagasikara mihitsy. Tsy hahagaga raha milatsaka isan-taona ny fari-pahaizan’ny zaza Malagasy, satria ireo mpamolavola sy volavolaina ho mpanabe azy ireo, toa variana amin’ny fitakiana tombontsoa isan-taona fotsiny.

Lova R.

Les commentaires sont fermées.