Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andranomanalina afovoany: trano lehibe roa kilan’ny afo, ramatoa iray naratra

Andranomanalina afovoany: trano lehibe roa kilan’ny afo, ramatoa iray naratra

Nijoalajoala ny afo nandritra ny firehetan’ny trano lehibe roa teny Andranomanalina Afovoany, omaly tolakandro. Trano lehibe roa samy misy fianakaviana enina mpanofan-trano avy ireto trano nirehitra ireto. Fianakaviana 12 indray traboina vokatry ny fahamaizana, araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany, Randrianarijaona Fanomezana, nandritra ny fijerena ireto fianakaviana niharam-boina ireto. Araka ny fanazavan’ny tena tompon-trano, fipoahana herinaratra niainga avy ao amina tranona kaomorianina iray no nahatonga ny firehetan’ny trano. Tsy tao an-trano anefa ny tompon-trano fa lasa namboly hazo, kanefa ny trano nirehitra. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina satria samy niezaka nanavo-tena sy namoaka ny entana azo navoaka izy ireo. Vokany, renim-pianakaviana iray naratra notselaran’ny afo ka nalefa haingana eny amin’ny hopitaly. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo ka nalaky voafehy ihany ny afo na dia nanano sarotra izany noho ny fahateren’ny toerana.

J.C

Les commentaires sont fermées.