Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toby Miaramila 213 : “Haverina ho Nosy maitso i Madagasikara…”, hoy ny MDN

    “Tafika mamboly hazo mamela lova ho an’ny taranaka”. Nanatanteraka fambolen-kazo tany amin’ny Toby miaramila 213 (Batac teo aloha) Arivonimamo ny fianakavi­am­ben’ny Foloalindahy notari­hin’ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenana (MDN), ny Jly Ra­ko­tonirina Richard, omaly. Nan­dray anjara tamin’ny fambolen-kazo ny teo anin’ny foloalindahy taorian’ny taom-panokafana nataon’ny filohan’ ny Repoblika ny taom-pambolen-kazo 2021 tany Tao­la­gnaro. Nandray anjara tamin’ izany ny teo anivon’ny MDN, ny Seg ary ny Etamazaon’ny Ta­fi­ka nahatratra 920. Zana-kazo kininina sy fihinam-boa 10 045 no natsatoka tamin’ity fa­m­bolen-kazo ity tany amin’ny Toby miaramila 213 tamina velaran-tany 7 ha ka ny 10 000 ireo zana-kazo voavoly. “Tombontsoa maro no hoen­tin’ny fambolena kininina ka ankoatra ny famadihana ho lo­ha­ranon-karena ity zana-kazo ity dia tafididtra ao anatin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fampihenana ny vesatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary mahatohitra ny doro tanety ny fambolena azy”, hoy ny MDN. Ahina ny hisian’ny ambana maro lafy toy ny haintany, ny doro tanety ary ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambarany. Fanamby lehibe ny hamerenana ho Nosy maitso an’i Ma­dagasikara ka ezahina ny hanatrarana fambolen-kazo amina velaran-tany 10 000 ha isan-taona mandritra ny efa-taona. Efa maro ireo toby misy ny tafika efa manana toerana fambokarana zana-kazo toy ny ao Manja­kan­dri­ana sy Antsiranana.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.