
Fifandirana niafara tamin’ny vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny Distrikan’i Doany, Andapa, omaly. Nokantsanan-drangahy antsy ny lohan-dramatoa vadiny. Efa voasambotry ny polisy ity nahavanon-doza.
Nampihoron-koditra! Ramatoa iray 33 taona no tapa-doha noho ny tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady. Fantatra fa nifanditra efa hatramin’ny afakomaly izy roa ireto ka niteraka ny hevi-dratsy tao amin’ilay rangahy vadiny. Nataom-badiny an-keriny noho izany ity ramatoa ity ka nokapainy ny antsy ny lohany rehefa vita ny filany. Vokany, maty teo no ho eo ilay ramatoa ary nitsoaka nandositra ilay nahavanon-doza. Tetsy an-kilany, nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary tao an-toerana ka voasambotra, io omaly io ihany ilay nahavanon-doza. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny kaompania Andapa, ny Kapiteny Razafimampiandry, tena vadiny tokoa ity namono azy ity, nosamborina avy hatrany izy taorian’izay ary efa eo am-panaovana fanadihadiana ity rangahy ity ny zandary, amin’izao fotoana izao. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha vono olona tao Andapa ity. Tsiahivina fa vao tsy ela akory no nisy lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka tao Mananara Avaratra noho izy nahavita namono ny rafozany sy ny vadiny. Norasarasainy izy mianaka ka voatery nankarina haingana notsaboina taty an-drenivohitra noho ny ratra mafy nahazo azy. Niafara tamin’ny fahafatesany anefa izany. Nandeha ny fikarohana ilay vadiny manerana ny tanàna ka nifanehatra tamin’ny fokonolona ihany izy ary niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izany.
Tsiferana Randriatiana
Les commentaires sont fermées.