Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famonoana mpianaka – Antsirabe II : olona enina nosamborin’ny zandary

Taorian’ny fanafihan-jiolahy nahafatesana mpianaka tao amin’ny tanànan’i Mana­ne­tivohitra anatin’ny Kao­mi­nina Ambanivohitra Soanin­dra­riny, Antsirabe II, afakomaly, olona enina no voasambotry ny zandary …
Niisa telo ireo olon-dratsy nanafika tokan-trano iray tao an-toerana ka nitaky vola ta­min’ny tompon-trano. Tsy ni­sy inona azon’ireo jiolahy ireo anefa ka novonoin’ireto farany ny raim-pianakaviana iray 54 ta­ona sy ny zanany lahy 23 taona. Vaky nandositra ireo olon-dratsy rehefa nahavita ny asa ratsiny. Nanao ny fikarahona ireo nahavanon-doza ny zan­dary tao an-toerana vao na­haray ny tatitry ny zava-nitranga. Mbola tratra tao amin’ireto farany koa ny fi­ta­ovana maro tsy ara-dalàna toy ny moto sy ny merkiora hosoka. Na­na­ma­fy ny zandary ao an-toerana fa efa mandeha ny fanadihadihana amin’izao fotoana ary mitohy ny fikarohana ireo mety ho naman’ny olon-dratsy.

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.