Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sekoly any ambanivolo: maro ireo miandry ny « caisse école »

Efa nanomboka ny volana septambra 2020 no nandefa ny sora-bolan’ny caisse école teny anivon’ny banky isanisany miara-miasa aminy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny banky indray no mamatsy ny laharana kaontin’ny fikambanana  FEFFI isaky ny sekoly ahafahan’izy ireo misitraka ny tohana avy amin’ny fanjakana. Olona roa no mila manao sonia maka ny vola eny amin’ny banky. Misy amin’ireo sekoly no mimenomenona fa tsy mbola tonga eny foana ny vola fanampiana ka mamoaka vola am-paosy ny tale sy ny mpampianatra manao tsipaipaika hividianana tsaoka na fitaovana hafa ampiasaina ao an-dakilasy. Eny amin’ny renivohitry ny distrika no misy banky na kaonty hakana ny vola caisse école. Tojo fahasahiranana ireo sekoly any ambanivolo lavitra satria manao dia an-tongotra mahatratra andro maromaro vao tonga any amin’ny kaominina renivohitry ny distrika haka ny caisse école. Ny fandriampahalemana eny an-dalana koa tsy fantatra, indrindra mitondra vola izy ireo rehefa miverina ho any an-tanàna. Natokana ho an’ny EPP sy ny CEG hanampy amin’ny fampihodinana ny sekoly nahafeno fepetra ny caisse école. Sambany tamin’ity taom-pianarana ity vao nisitraka ny « caisse de soutien » ny lycée rehetra miankina amin’ny fanjakana ho fanamaivanana ny vesatry ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny. Misy hatramin’ny 1 tapitrrisa Ar latsaka ny sora-bola ho an’ny EPP iray. Mahatratra 3 tapitrisa Ar mahery kosa ho an’ny CEG sy ny lycée.

Vonjy                

Les commentaires sont fermées.