Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miarinarivo: azon’ny zandary ny omby tany amin’ny dahalo

Omaly, tafaverin’ny zandary tamin’ny tompony avokoa ireo omby miisa 15 nangalarin’ny dahalo, ny faran’ny herinandro lasa teo sy ny fiandohan’ity herinandro ity. Tao amin’ny tanànan’Antanety, kaominina Miarinarivo II, tamin’ny 9 ora alin’ny 14 febroary no nandroban’ireo jiolahy ny omby enina. Voatifitr’ireo olon-dratsy, tamin’io fotoana io, ny olon-tsotra iray,  saingy tsy misy ahina ny aina. Omby miisa 9 kosa very  tamin’ny 9 ora alin’ny 16 febroary 2021 tao Tsaratanana, fokontany Anorana, kaominina Ambanivohitra Ambatomanjaka, distrika Miarinarivo. Natao ny vela-pandrika matipaika avy amin’ny zandary sy ny fokonolona  ao an-toerana ka nahitam-bokany izany. Ny 17 febroary tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, tratra tao amin’ny kizo iray anatin’ny tanànan’Ambongovy ireo omby halatra miisa 15.  Tsy tratran’ireo mpanara-dia tao anefa ireo dahalo fa efa lasa nitsoaka avokoa. Natolotra ny tompony ireo omby ireo ary mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy amin’izao fotoana.

Tsiferana Randriatiana

 

Les commentaires sont fermées.