Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery  

 

Fantatra nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny fankatoavana ny tsena hoentina hanatanterahana ny asa fanamboarana ireo lavadrano 46 hiparitaka eto Antananarivo. Hovitaina ao anatin’ny fotoana fohy ny asa. Hisitraka izany lavadrano izany ny eny Ambohidrapeto, Fiombonana, Itaosy, Ampitatafika, Andoharanofotsy, Bongatsara, Alasora, tsiadana, Ambohimangakely, Akadikely Ilafy, Sabotsy Namehana, Ambohimanga Rova, Antehiroka, Ivato, Firaisana, Anosiala ary Antananarivo Renivohitra.

 

Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ihany koa ny famatsiam-bola hanatanterahana ny fanaovam-baksiny ny zaza malagasy, izay iarahana amin’ny Gavi sy ny Unicef. Mitentina 1,8 tapitrisa dolara izany vola enti-miasa izany. Tafiditra ao anatiny ny vaksiny iadiana amin’ny raboka, lefakozatra, « DTCHepBHib », aretin-tratra, bonibony, kitrotro ary aretin-kibon-jazakely.

Les commentaires sont fermées.