Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Halatra fiara niharo vonoan’olona – Toamasina: saron’ny zandary ireo enina mianadahy tompon’antoka

    Ravan’ny borigadin’ny zandarimaria misahana ny fikarohan ady heloka bevava notarihin’ny Kapiteny Ramarokoto Zo ireo tambajotran-jiolahy mpanao halatra fiara sy vonoan’olona izay efa mahazo vahana ao Toamasina, amin’izao fotoana izao. Enina mianadahy ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity. Roa lahy hafa kosa karohina izay voalaza fa atidohan’izao raharaha izao. Raha hiverenana ity raharaha ity, mody nofaina natao hakana razana any Mahanoro ity Mini bus Mazda iray ity. Rehefa nisy fifanarahana, niova fa tohizana mankany Ihosy aloha fa haka vola hikarakarana ilay razana lazaina fa halaina any Mahanoro ka nisy koa ny fifanarahana teo amin’ny fampanofana tamin’ilay mpamily. Ny 25 janoary niainga ao Toamasina ny fiara sy ny mpamily fa hitondra ireo mpanofa, araka ny fifanarahana voalaza. Andro vitsy taorian’izay, tsy tratra antso intsony ilay mpamily, ny 4 febroary lasa teo kanefa naheno fa misy fatin’olona hita tao anaty ala tany Alakamisin’Ambohimahasoa Fianarantsoa. Tonga teny ny fianakaviana hanamarina ny fatin’olona satria efa nalevin’ny fokonolona ny razana noho ny fahasimbany kanefa nisy ihany ny singa teny aminy nahafantaran’ny fianakaviana fa ilay havan’izy ireo ilay mpamily fiara. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny CIRGN Toamasina, ny Kly Rabemanantsoa Josh sy ny Kapiteny Ramarokoto Zo, “Rehefa nisakafo dia nopoizinina ny sakafony. Rehefa nalemy teo izy dia nentina tany anaty ala ary notetehina antsy ny lohany sy ny tanany ary nodorana tamin’ny asidra mba tsy hamantaran’ny fianakaviany azy intsony, mialoha ny nitondra ny fiara taty an-drenivohitra”, hoy ireto nahavanon-doza.

    Sajo/J.C

    Les commentaires sont fermées.