Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firongatry ny Covid-19 – LMA: mpampianatra sy mpandraharaha 63 natao fitiliana PCR

Firongatry ny Covid-19 – LMA: mpampianatra sy mpandraharaha 63 natao fitiliana PCR

Araka ny fangatahan’ny mpampianatra tao amin’ny LMA, nidina teny an-toerana ny tomponandraikitra nanao fitiliana ireo miahiahy fa mitondra ny Covid-19. 

64 ny mpandraharaha sy mpampianatra ao amin’ny lycée Moderne Ampefiloha (LMA) no nisoratra anarana fa hanao fitiliana ny tsimokaretina Covid-19 ka 63 no niatrika izany teo anivon’ny sekoly,  ny alarobia lasa teo, araka ny fanazavana azo. Ny asabotsy ka hatramin’ny alatsinainy ho avy izao no tokony hivaly ireo fakana singa PCR ireo ary mijanona any an-trano tsy miasa ary mitoka-monina ireo olona ireo mandra-piandry ny vokatra. Rehefa mitondra ny valin’ny fitiliana fa mihiba (-) ka tsy mitondra ny tsimokaretina vao afaka miverina miasa ny mpampianatra sy ny mpandraharaha voakasika. Mahatratra 237 ny mpandraharaha sy mpampianatra eo anivon’ny LMA. Efa mihatra hatrany ny toromarika raha vantany misy voatily fa mitondra ny tsimokaretina eny amin’ny toeram-pampianarana ary maharaka izany avokoa ny mpitantana rehetra. Eo ny fitiliana sy ny fanokanana ireo marary miaraka amin’ny fandrarahana fanafody ny efitrano fianarana sy ny birao rehetra. Fiarovana fanao tsy tapaka amin’ny trano fianarana ny mandraraka fanafody mamono ny otrikaretina. Andraikitry ny mpitantana ny sekoly koa no mampihatra ny fepetra amin’ny fisavana ny arotava, fampanasana tanana amin’ny savony isaky ny hiditra ny faritry ny sekoly ny mpianatra ary ny fanajana ny elanelana 1metatra.

Misokatra ny sekoly, mitohy ny fampianarana

Nandritra ny fivoriam-be nataon’ny mpianatry ny LMA niaraka tamin’ny mpitantana voalohany, omaly teny Ampefiloha, nanamafy izy fa mitohy hatrany ny fampianarana na eo aza ny fanambaran’ny mpampianatra sasany fa miato mandritra ny 72 ora ny asa rehetra. Nisy ny mpampianatra tonga niasa, omaly, raha tsy vitsy koa no tsy niatrika fampianarana. « Tsy maintsy tonga aty izahay satria eo vao fantatra na tonga na tsia ilay mpampianatra », hoy ireo mpianatra amin’ny kilasy 2nde. Sorena noho ny vola lany amin’ny saran-dalana ny mpianatra sasany ka nanapa-kevitra ny tsy hiverina intsony raha tsy ny alatsinainy izao.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.