Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aviadev: fivoriana iraisam-pirenena hampitain-davitra

 Fivoriana iraisam-pirenena handinihina ny fanatsarana ny sidina na habakabaka aty Afrika ny hetsika Aviadev. Mampian-trano azy amin’ny andiany fahadimy amin’ity taona 2021 ity i Madagasikara, orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be. Noho ny tranga Covid-19 anefa, voatery amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra mivantana (visio-conférence) no hanatanterahana azy. Ho tanterahana ny 9 hatramin’ny 11 jona ho avy izao. Nilaza ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Patrick Collard, fa “satrinay tokoa raha manatrika miaraka aminay mivantana ny mpandray anjara rehetra, ahitan’izy ireo ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny”. Nambarany koa fa tsy andriny ny hanome ny vahiny topimaso ny seranana vaovao sy ny fotodrafitrasa maro natsangana ary koa ny hakanton’ny fizahantany afaka atolotr’i Madagasikara.

Lala-tsidina goavana

Ho an’ny tale mpanorina ny Aviadev, Jon Howell, “tsy mbola nisy toy izao ny fikorontanan’ny fitaterana ana habakabaka teto Afrika”. Tsy mitsahatra ny Aviadev mitondra fivoarana ity sehatra ity tato anatin’ny 12 volana izao. Isan’izany ny fikarakarana fihaonana hifanakalozana fahalalana sy traikefa, amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra.Ilaina tokoa ny fihaonambe toy ny Aviadev, hampivelarana ny lalan-tsidina goavana indrindra eto Afrika.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.